- 前ページ
- 次ページ
Raha avy nianatra ny mombamomban'ny Latvia dia
nanotrona ny famelabelarana sy fampianarana
sakafon'ny Estonia aho.
Ny Attache culturel tao amin'ny Ambassade n'ny
Estonia no nanao izany.
Tallin no renivohitra ary misy ala sy laka betsaka ilay tany
kely any avaratr'i Europe.
Fahatelo amin'ny laharana eran-tany ny Estonian raha ny
fampiasana INTERNET. Porofo iray dia ry zareo no
namorona ny SKYPE.
Amin'izao fotoana izao dia mahazo e-mail adresse
daholo ny zaza vao teraka. Ny ilaina azy dia izao:
Fandefasan'ny fanjakana na Ministera isan-karazany
ny zavatra tokony ho fantany na tokony ho fantatry
ny ray aman-dreniny.
Ohatra: Zaza vao roa volana
andefasana mail hoe Mila manao vaksiny ianao
amin'izao andro izao. Amin'izao ny vaksiny Polio-nao.
Ary amin'ny Sekoly XXX ianao no voasoratra miditra
mianatra .
Efa feno roa-polo taona ianao ka mila mandoha hetra
ary toa izao ny andro na fetra andohavanao azy .
Ity ny solon'ny karatra andehananao hifidy .
(lehiben'ny faritany ..etc...)
Manonofy ihany ny tena hoe rahoviana ny any
MADAGASIKARA
no aharaka ny fandrosoan' izao tontolo izao.
Mofo mainty toy ny fihinan'ny Latvia ihany
no hinanana ny laoka .
Ity indray dia toy ny macedoine Malagasy,
saingy misy olive sy misy yaourt,sour cream,
mustard ny sosy
atao fangarony.
Fromage sy bacon no nofonosina tamin'ny henomby
nokapokapohina ho malemy.
Nasiana chapelure dia natao tao anaty menaka.
Nasiana ovy puree koa teo ambony vilia.
KAMA
Yaourt sy voxoka hazo avy amin'ny karazana peas
sy cramberry jam no dessert.
Ho an'ireo izay liana dia nividy zavatra
madinika Estonian.
Nanao interview kely moa ny Japan times
ka ity ambany ity clicker-na hamakiana azy.
http://search.japantimes.co.jp/cgi-bin/fl20110510ev.html
Mahonena raha tantaraina antsipirihiny ny mitranga aty Japan
amin'izao fotoana anoratako izao.
Tsy afaka mihinana anana isan-karazany. Tsy mahazo misotro ronono.
Tsy mahazo misotro rano amin'ny robinet...mandrapa...! ! ! ?
Fa tsy matahotra ny mponina . Nanontany tanora maro ihany aho.
Tanora 32 taona, 23 taona ,19 taona ...
Fa tsy misy hafa ny valin-teny.
Tsy matahotra izahay fa mihaino ary manaraka tsara izay voalazan'ny
mpitondra fanjakana.
Mihaino isan'andro ny vaovao amin'ny fahita lavitra sy ny radio.
Mahatoky izahay fa tafarina ny taninay. Izahay tany matanjaka,
no efa nahita ny faran'ny ambany ka manana lesona be dia be.
Efa nahazo taloha izao fa izy mafimafy kokoa.
Nahazo lesona vaovao indray izao ka vao maika mihamahay.
Tsy voarebirebin'ny vaovao any ivelany ny fitondranay ny sainay
satria na ho aiza na ho aiza ,rehefa tonga ny loza dia tonga.
Izahay mila milamina ary manao izay azo atao hanampiana ny
fanjakana andaminana izay tsy milamina.
Izany eo ihany fa andeha hotantaraina ny nataoko taminy
2011 Marsa 11 tamin'ny 14:46
Tao anaty vinyl house-nay aho namboly voninkazo.
Mary Gold no namboleko tamin'izay. Nisy namako iray
sendra tonga namangy dia nanampy ahy.
Efa zatra ny horohorontany madinidinika izahay.
Fa nony tsapa fa tsy nety nijanona haingana ilay
izy dia nivoaka tao anatin'io vinyl house io
ka namonjy tany malalaka teo akaiky teo ihany.
Matetika miakamidina ny fihozongozonana
fa tamin'ity dia sahala tamin'ny nitaingina
balancoire ireny
ary sahala tamin'ny hila hilatsaka ny tany na toy
ny hisy hitroka ny tongotra.
Lasa nifampitana izahay sy ilay namako
nefa tsy fanaon'ny Japoney ny mifandray
tanana izany .
Afaka 5 minitra mahery teo angamba vao
toa nijanona ilay izy .
Tao aorian'io dia fanina foana ny vatana.
Sahala tamin'ny mbola mihorohoro foana.
Niandry izay olona hivoaka ny trano teo amin'ny manodidina
fa fianakaviana manan-janaka kely iray ihany no nivoaka.
Niala tao anaty house moa izahay ary niditra tao antrano, sady efa
tamin'ny telo ka niala sasatra.Te ampisotroana dite dia mbola
nanomboka indray ny fihetsiky ny tany.
Tonga aho dia nivoaka fa ilay namako mbola tsy nihetsika.
Efa saika sahala tamin'ny hianjera ny trano vao nivoaka izy.
Ny camion be nipetraka teo antokotany
moa tamin'izay dia toy ny nisy nanosika
aloha sy aoriana. Nahita an'iny ilay namako
vao nitingitingina tamin'ny tany.
Tsy nisy nahalala hoe tena loza be ny nahazo
ny olona tany Tohoku tany.
Mbola nivetsovetso ilay namako hoe:
"Andeha hanao voyage en groupe any Miyagi any
aho rahampitso fa tokony hijanona ve? "
Hay tena tany amin'ny saika nalehany no nitrangan'ny voina.
Nanana vintana aho hoy izy fa nahemotro iray andro ny diako...
Ny jiro tapaka moa ny lamasinina nijanona.
tsy afaka nody ny ankabehazan'ny olona
ary nandeha tongotra adiny telo raha haingana
ny mpiasa te hamonjy ny tranony.
Lasa trano fatoriana ny tany anaty metro
sy ny fianarana rehetra.
Voaporofo koa fa ny metro 30m any
ambanin'ny tany Oedo Line dia azo hialofana
rehefa misy horohorotany.
Tsy toy ny fatahorana hoe ...sao dia tototra any ?
Hay any no vao maika voahavotra.
Dia toa izany no hitako tamin'iny andro sy ora iny
ary ny tohiny sy ny vokany moa dia ireny samy
hitantsika tamin'ny vaovao eran-tany ireny.
Andao hijery ny Vinyl house-ko ianareo fa toa lasa GAZETY ilay gazety...
pepiniere. Mary Gold
Mary Gold ,cyclamen, petunia, salvia,
Impatiens
Impatiens (benja)
Cyclamen 120 jours.
Atao izay hivelarany amin'ny Krismasy.
400 jours.
VICTORIA no be mpividy indrindra.
Toy izao ny cyclamen rehefa azo amidy.
Ity ambany ity koa misy karazana cyclamen iray.
( Azafady raha tsy mahalala fomba.)
Toa izao indray ny fitombohan'ny Mary Gold.
Izao no vokan'ilay horohorotany
Niforitra roa teo ampovoany.
Mba nisy voavonjy ihany.
Mary Golg Yellow . Flame . Red . Yellow Fire .
Mary Gold Bolero. Tangerine ,
North Pole koa tsara mahatanty hatsiaka no mitombo be.
My recommendation .
Very cute flowers like sunnyside-up.
Efa manomboka mitombo koa ny Petunia
hazo hanaovana hanging basket.
Alohan'izany dia izao no fotoanan'ny Viola sy alyssum (madwort)
February and March
Io alyssum fotsy kely io mitombo be no mivoaka isan-taona.
Mivoaka tsara raha ampiana IVY ( lierre ) rehefa manao hanging basket.