Mahonena raha tantaraina antsipirihiny ny mitranga aty Japan

amin'izao fotoana anoratako izao.ハートブレイク


Tsy afaka mihinana anana isan-karazany. Tsy mahazo misotro ronono.

Tsy mahazo misotro rano amin'ny robinet.じゃー..mandrapa...! ! ! ?ドクロ


Fa tsy matahotra ny mponina . Nanontany tanora maro ihany aho.

Tanora 32 taona, 23 taona ,19 taona ...DASH!


Fa tsy misy hafa ny valin-teny.


Tsy matahotra izahay fa mihaino ary manaraka tsara izay voalazan'ny

mpitondra fanjakana.キラキラ

Mihaino isan'andro ny vaovao amin'ny fahita lavitra sy ny radio.


Mahatoky izahay fa tafarina ny taninay. Izahay tany matanjaka,

no efa nahita ny faran'ny ambany ka manana lesona be dia be.

Efa nahazo taloha izao fa izy mafimafy kokoa.ぺこ


Nahazo lesona vaovao indray izao ka vao maika mihamahay. 泣


Tsy voarebirebin'ny vaovao any ivelany ny fitondranay ny sainay

satria na ho aiza na ho aiza ,rehefa tonga ny loza dia tonga.えー


Izahay mila milamina ary manao izay azo atao hanampiana ny

fanjakana andaminana izay tsy milamina.ムムム


ペタしてね <---- click-er o hono izy.

Izany eo ihany fa andeha hotantaraina ny nataoko taminy

2011 Marsa 11 tamin'ny 14:46


Tao anaty vinyl house-nay aho namboly voninkazo.

Mary Gold no namboleko tamin'izay. Nisy namako iray

sendra tonga namangy dia nanampy ahy.バラ
Raivoのブログ
Efa zatra ny horohorontany madinidinika izahay.

Fa nony tsapa fa tsy nety nijanona haingana ilay

izy dia nivoaka tao anatin'io vinyl house ioマリオ


ka namonjy tany malalaka teo akaiky teo ihany.


Matetika miakamidina ny fihozongozonana

fa tamin'ity dia sahala tamin'ny nitaingina


balancoire ireny薔薇むらさき

ary sahala tamin'ny hila hilatsaka ny tany na toy


ny hisy hitroka ny tongotra.

Lasa nifampitana izahay sy ilay namako

nefa tsy fanaon'ny Japoney ny mifandray

tanana izany .きゃっ

Afaka 5 minitra mahery teo angamba vao

toa nijanona ilay izy . ふぅ


Tao aorian'io dia fanina foana ny vatana.

Sahala tamin'ny mbola mihorohoro foana.出費

Niandry izay olona hivoaka ny trano teo amin'ny manodidina

fa fianakaviana manan-janaka kely iray ihany no nivoaka.!!!!!!!!



Niala tao anaty house moa izahay ary niditra tao antrano, 家sady efa

tamin'ny telo ka niala sasatra.Te ampisotroanaコーヒー dite dia mbola

nanomboka indray ny fihetsiky ny tany.


Tonga aho dia nivoaka fa ilay namako mbola tsy nihetsika.助けて~

Efa saika sahala tamin'ny hianjera ny trano vao nivoaka izy.

Ny camion be nipetraka teo antokotany

moa tamin'izay dia toy ny nisy nanosika

aloha sy aoriana. Nahita an'iny ilay namako

vao nitingitingina tamin'ny tany.



Tsy nisy nahalala hoe tena loza be ny nahazo

ny olona tany Tohoku tany.

Mbola nivetsovetso ilay namako hoe:

"Andeha hanao voyage en groupe any Miyagi any

aho rahampitso fa tokony hijanona ve? "



Hay tena tany amin'ny saika nalehany no nitrangan'ny voina.

Nanana vintana aho hoy izy fa nahemotro iray andro ny diako...

Ny jiro tapaka moa ny lamasinina nijanona.

tsy afaka nody ny ankabehazan'ny olona

ary nandeha tongotra adiny telo raha haingana

ny mpiasa te hamonjy ny tranony.



Lasa trano fatoriana ny tany anaty metro

sy ny fianarana rehetra.

Voaporofo koa fa ny metro 30m any

ambanin'ny tany Oedo Line dia azo hialofana

rehefa misy horohorotany.

Tsy toy ny fatahorana hoe ...sao dia tototra any ?

Hay any no vao maika voahavotra.


Dia toa izany no hitako tamin'iny andro sy ora iny

ary ny tohiny sy ny vokany moa dia ireny samy

hitantsika tamin'ny vaovao eran-tany ireny.

ペタしてね <---click-er o hono izy...


Andao hijery ny Vinyl house-ko ianareo fa toa lasa GAZETY ilay gazety...
Raivoのブログ pepiniere. Mary Gold


Raivoのブログ Mary Gold ,cyclamen, petunia, salvia,
Raivoのブログ







Impatiens





Raivoのブログ Impatiens (benja)

Raivoのブログ
Cyclamen 120 jours.

Atao izay hivelarany amin'ny Krismasy.

400 jours.


VICTORIA no be mpividy indrindra.










Toy izao ny cyclamen rehefa azo amidy.
Raivoのブログ











Ity ambany ity koa misy karazana cyclamen iray.

( Azafady raha tsy mahalala fomba.)


Raivoのブログ














Toa izao indray ny fitombohan'ny Mary Gold.
Raivoのブログ-Mary Golg 1










Izao no vokan'ilay horohorotany


Raivoのブログ




Niforitra roa teo ampovoany.







Nitongilana ny sasany,
Raivoのブログ













Mba nisy voavonjy ihany.



Raivoのブログ
(‐^▽^‐)Raivoのブログ

Mary Golg Yellow . Flame . Red . Yellow Fire .





Mary Gold Bolero. Tangerine ,




Raivoのブログ









North Pole koa tsara mahatanty hatsiaka no mitombo be.

My recommendation .

Very cute flowers like sunnyside-up.

Efa manomboka mitombo koa ny Petunia

hazo hanaovana hanging basket.



Alohan'izany dia izao no fotoanan'ny Viola sy alyssum (madwort)

February and March


Raivoのブログ Io alyssum fotsy kely io mitombo be no mivoaka isan-taona.

Mivoaka tsara raha ampiana IVY ( lierre ) rehefa manao hanging basket.